<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Miposaka indray ny masoandro FFPM713</title>
<lyrics>[V1]
 Miposaka indray ny
 masoandro,
 Ny ali-maizim-be dia tonga
 andro ;
 Ry foko, mba derao ny Ray
 Tsitoha,
 Ka dia andrandrao,
 Derao, ankalazao
 Ny Rainao soa.

[V2]
 Ny loza marobe atý an-tany
 Dia niarovanao anay izany,
 Ka zava-mahafaly no omeny,
 Dia fiarovana
 Sy fitiavana
 Tsy hita lany.

[V3]
 Ry Masoandronay, mba
 mitariha
 Ny dianay anio mba tsy
 hania ;
 Mahery Hianao ka maharara
 Ny fahavalonay
 Tsy hahataona anay
 Handà ny tsara.

[V4]
 Ny zavatra manjo tsy
 mampanahy
 Napetraka aminao ny ahiahy,
 Ka dia matoky aho, ry
 Tsitoha !
 Omeo ny zanakao
 Izay heverinao
 Ho mahasoa.</lyrics>
<hymn_number>713</hymn_number>
</song>